ADY ATAO AMIN’NY ARETINA DENGUE
Ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina dengue dia niara-nifarimbona nanadio fokontany maro tao Mahajanga ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice tao anatin’izany ny fokontany Morafeno , Manjarisoa, Antanimasaja, Sotema, Antanimalandy, Tsararano , Mahavoky. Nanentana ireo mponina handray anjara amin’ny fanadiovana ireo hazo sy lobolobo fanatodizan’ny moka ny Minisitra.